Rahampitso no hiakatra an-tsehatra, hifaninana amin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, taranja Jiu-jitsu Breziliana, ny solontena malagasy, Ranarivelo Xavier. Fifaninanana tanterahina any Lisbonne. Ilay teratany Espaniola, i Castro Marcos Rodriguez, avy amin’ny ekipa Stealth BJJ San Sebastian no hifanehatra voalohany aminy amin’io sabotsy io, raha ny fandaharam-potoana. Mafimafy ny miandry an’i Xavier amin’ity mpifanandrina aminy ity, noho izy efa kalaza sy tompondaka hatrany tamin’izy tepana “violette” hatramin’izy izao mifaninana amin’ny tepana “marron” izao. Na izany, efa tsara fanomanana ity Malagasy mpikatroka ity ka tsy hanaiky lembenana.
Tsiahivina, mpanorina ny klioba “Club 101 Jiu Jitsu” sady filohan’ny ligin’Analamanga Jiu-Jitsu, Ranarivelo Xavier, saingy hifaninana amin’ny anaran’ny ekipa Jiu-jitsu Icon Réunion izy any amin’ity fifaninanana ity. Zava-dehibe ny fandraisana anjaran’i Xavier amin’ity fiadiana ny tompondakan’i Eoropa ity izay tafiditra indrindra ao anatin’ireo ady efatra lehibe amin’ny “Grand Chelem”, izany hoe, fidirana anatin’ireo sangany maneran-tany.
Ny alarobia lasa teo no nanainga teto an-tanindrazana, Ranarivelo Xavier.
Mi.Raz




