Na eo aza ny fivelaran’ny kabary, misy ihany ny lesoka eo amin’ny tontolon’ity zavakanto sady kolontsaina ity. Vonona ny hanampy amin’ny fanarenana izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, raha ny nambaran’ny minisitra, omaly.
Notanterahina teto an-dRenivohitr’i Madagasikara, omaly, ny lanonana hoenti-manamarika ny Androm-pirenena ho an’ny kabary. Lohahevitra tamin’ izany ny: « Kabary malagasy: manamafy fihavanana, arofanin’ny fiarahamonina ». Fotoana nanasongadinan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa, ny fahavononany sy ny departemanta iandraiketany hanatsara ny lenta sy ny tontolon’ny kabary.
Nambarany tamin’izany fa: « ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina dia manao ny ezaka rehetra amin’ny fampiroboroboana sy fanomezan-danja ny kabary malagasy. Misy ny fanarenana ny lesoka mba ho toko tapaka vilany mitongilana ka izay tsy mety arenina ». Nohamafisin’ny minisitra Gascar Fenosoa fa « anisan’ny ezaka ataon’ny minisitera ny hahatsara ny lentan’ny fampiofanana sy hampanan-danja ny mari-pahaizana omena ireo izay asandratra ho mpikabary. Misy ny lamina apetraka amin’ny alalan’ny Akademiam-pirenen’ny zavakanto sy ny Kolontsaina momba izany. Hatao laharam-pahamehana amin’izany ny fanofanana ny mpampianatra kabary. Ankoatra izay, hisokatra ho an’ny mpikabary koa ny fahitalavi-pirenena hahafahana mivoy sy manapariaka ny kabary sy ny soatoavina raketiny ».
Nambarany fa « faniriana ny hametraka rafitra mazava mba hahatonga ny kabary ho asa ara-dalàna ka raha ny fikasana dia ny mba hametraka rafitra hisahana ireo mpikabary matihanina ka hisitrahan’izy ireo fisotroan-dronono any aoriana. Satria dia lasa asa tahaka ny asa rehetra ny kabary dia rariny loatra izany. Tsipihiko manokana fa an’ny Malagasy rehetra ny kabary ».
Nandritra ity lanonana fanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary ity ihany koa no nanatanterahana fanolorana mari-boninahitry ny kanto ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny kabary nahatratra 300 mahery.
HaRy Razafindrakoto




