Tetiandrom-pampianarana: Niitatra hatramin’ny volana jolay sy aogositra

Volana jolay sy aogositra ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary Bakalorea. Niitatra ny fotoana ianarana ary maro ny ahiahin’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra.

Nanaitra ny sain’ny ray aman-dreny sy ny mpam­pianatra ny tetiandrom-pampianarana navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ho an’ny taom-pianarana 2025-2026.
Niitatra hatramin’ny volana aogositra ny fampianarana sy ny fanadinam-panjakana sa­santsasany ka maro ireo ma­nahy ny amin’ny zavatra maro.
Ao anatin’ny roa volana fahatelo ny taom-pianarana amin’izao fotoana ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny 20 febroary. Ny 23 febroary hatramin’ny 27 marsa kosa ny roa volana fahefatra ary ny
9 avrily hatramin’ny 24 jona ny roa volana fahadimy. Ny 28 marsa hatramin’ny 8 avrily ny fialantsasatry ny Paka.
Araka ny voafaritry ny la­làna laharana 366/2026, minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, dia efa voarafitra ihany koa ny datin’ny fanadinam-panjakana. Ny 21 jolay no hatao ny fanadinana CEPE. Ny 27 ka hatramin’ny 30 jolay ny fanadinana BEPC. Efa nanomboka ny 12 janoary teo ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana CEPE sy ny fanadinana BEPC ary ny Ba­kalorea. Any amin’ny 3 avrily sy 10 avrily kosa no fara fisoratana anarana ho amin’izany fanadinana izany.
Ho an’ny fanadinana baka­lorea ankapobeny, ny alatsinainy 17 ka hatramin’ny zoma 21 aogositra no hanatante­rahana izany. Mifanindran-dalana amin’izany ny Baka­lorea teknolojia sy teknika ary arakasa andiany voalohany. Hatao ny alatsinainy 24 ka ha­tramin’ny alakamisy 27 aogositra kosa ny andiany faharoa.
Araka ireo tetiandro ireo, manahy ny ray aman-dreny amin’ny mety handoavana saram-pianarana  mihoatra raha 10 volana hatrany no na­hazatra. Ny volana septambra hatramin’ny volana jona. Mii­tatra hatrany amin’ny volana jolay sy aogositra anefa izany, araka ny voafaritry ny tetiandro mivoaka ankehitriny.

Tatiana A

Partager sur: