“Africa’s Cultural Landmarks”: Hanasongadinana ireo harembakoka mijoro

Andiana horonantsary fanadihadiana ny “Africa’s Cultural Landmarks”. Araka ny anarany, entina hanasongadinana ireo harembakoka mijoro sy miavaka aty afrika, toy ny Pyramides any Gizeh, ireo Eglizy ambanin’ny tany any Tigé (Ethiopi) ary ny Vohitr’Ambohimanga izany…

… Hatokana ho an’izay indrindra ny anio tontolo andro, hatao eny amin’ny Fondation H Ambatomena, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hisy ny fandefasana ireo horonan­tsary fanadihadiana efatra, anatin’ny “Afri­ca’s Cultural Landmarks », izay notontosain’i Sosena Salomon. Tafiditra anatin’ny horonantsary, «Royal Hills of Ambohimanga», izay miresaka momba ity ha­rembako-pirenena voasokajy ao amin’ny Unesco ity.
Rehefa vita izany, hisy ny resadresaka hotarihin’ny Dr Denis Alexandre Lahiniriko, talen’ny vakoka eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Manodidina ny politikan’ny fiarovana ireo ha­rembakoka eto Madagasikara indrindra ny lohahevitra amin’izany. Heverina fa tsara toerana hamelabelatra ireo tetikasa sy ireo fanamby amin’izay fiarovana ary ny fampitana amin’ny taranaka ny vakoka izay ity mpahay tantara nomena ny andraikitra ity.
Mialoha ny ao amin’ny Fondation H, efa hisy ihany koa ny fandefasana ireo horonantsary ireo ny maraina, ao amin’ny IFM Analakely. Arahi­na velakevitra arahina adihevitra, manodidina ny lohahevitra “ny fiarovana ireo harembakoka miorina eto Madagasi­kara” izany. Hizara fahalalana mandritra izany ny Pr Bako Rasoarifetra, mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Onive­siten’Antananarivo, anisan’ireo manam-pahaizana mom­ba ny arkeolojia sy ny harembakoka eto Madagasikara. Eo koa i Jimson Herintsialonina, na­nangana ny Fondation Herintsialonina any Fianaran­tsoa, nanompana taona maro amin’ny fiarovana sy ny fitandroana ny Tanàna Ambony any an-toerana, izay endrika mam­piavaka azy. Handrindra ny fotoana i Ludonie Velotra­sina.

Zo ny Aina

Partager sur: