«Tsy azo tsaraina ny zavakanto», hoy ny fomba fitenin-dry zareo vahiny. Na marina na tsia io fomba filaza io, tsy azo ihadian-kevitra kosa ny hoe : «voatsara ho azy» ny zavakanto. Anisan’ny mpitsara goavana sy tsy azo ialana ny vanim-potoana. Azo antoka kokoa ny maha «kanto» ireo antsoina ho zavakanto raha mahasedra izany izy. Ny ankoatra izay, mampiahiahy ihany.
… Ohatra, ho an’ny tontolon’ny hira. Fony mbola ny Radiom-pirenena Malagasy irery no hany nahafahan’ny mpanakanto nandefa ny sanganasany. Zovy no tsy nihira ny sanganasa noforonin-dry Naka Rabemanantsoa, J.J Tseheno, Justin Rajoro, Jerome Randria, sns ? Hatramin’ izao, iza no tsy mahafantatra ny fisian’ny hira «Mifankatiava ihany» ? Miharihary fa nateraky ny aingam-panahy ilay famoronana. Sahaza ny fanahy mandray azy ihany koa ilay sanganasa vita.
Tsy fandokafana be fahatany ny mpanakanto teo aloha, fa fampieritreretana ny mpamorona ankehitriny. Nahoana no efatra na dimy taona ihany raha ela indrindra no «malaza» ny hira iray ? Satria, tsy mifamatotra amin’ny tena maha izy ny Malagasy (fanahy) ny ankamaroan’ireny famoronana ankehitriny ireny. Noho izany, ivelany fotsiny ihany no andraisan’ny Malagasy azy fa tsy latsaka anaty.
… Tsy ny zavakanto malagasy irery no tratran’izay fa saika ny ankamaroan’ny fiainan’ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto




