Hopitaly Ambohimiandra: Nahazo efitrano vaovao ny sampana mitsabo ny zaza

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny efitrano vaovao hitsaboana ny zazakely etsy amin’ny hopitalin’ny reny sy ny zaza Ambohimiandra.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Miahy Jo­ven­na izay tanterahin’ny Fondation Axian no nahafahana nanao ny fotodrafitrasa.
Tanjona ny hanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny handraisana an-tanana azy ireo amin’ny toerana sahaza sy mendrika ary manaja ny zo maha olona.
Ho fitsinjovana indrindra ireo zazakely tsy salama, zanaky ny fianakaviana sahirana misitraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Ambohimi­andra ; ihany koa ny fotodrafitrasa vaovao. Raha ny tombana, hahafahana mandray zazakely miisa 60 isam-bolana eo ity efitrano vaovao ity.
Nisahana manontolo ny famatsiana ara-bola nahafahana nanangana izany ny Fondation Axian. Ny hopitaly kosa no nandray an-tanana ny fampitaovana ara-medikaly hahafahana mampihodina ny toerana.
Fokontany an-jatony manodidina ny hopitaly no misitraka ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny sampandraharaha mikarakara ny zaza sy ny ankizy ao amin’ity hopitaly ity. Hanampy betsaka ny fisian’ny efitrano vaovao natsangana.
Miantsehatra amin’ny se­hatry ny fahasalamana ny Fondation Axian. Vao tsy ela no nanavaozana ireo CSB 26 hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fahasalamana sy ny tolotra omena ny marary.

Tatiana A

Partager sur: