IFM Analakely : Ho avy ny “Taom­baovao 2026”

Tsy fifampiarahabana noho ny taom-baovao fotsiny. Fotoana iray fanao isan-taona, maka endrika fety, fa indrindra hampahafantarana ny fandaharam-potoana rehetra amin’ny lafiny zavakanto sy kolontsaina ny “Taombaovao” an’ny IFM Analakely. Hotontosaina ny sabotsy 24 janoary izao izany amin’ity, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. I Christophe David no hanao ny rindra ankapobeny, hamoaka izay aingam-panahiny hisarihana ireo hanatrika ny fotoana. Ny azo antoka aloha dia fifangaroan’ny kanto sy ny talenta maro izany: poezia, dihy, mozika, teatra, sns. Mpa­nakanto maro ihany koa no handrafitra ny eny an-tsehatra, ary mety hisy vahiny izany.
Hitodika ny lasa, hibanjinana ny hoavy hatrany ity hetsika ity isan-taona. Hampiavaka azy koa ny tsy fisian’ny vidim-pidirana, tsy misy karatra fanasana alaina mialoha. Izay tonga aloha sy izay zakan’ny toerana ihany kosa no hihanoka ny fampisehoana izay tsy ampoizina hiseho ao.

Zo ny Aina

Partager sur: