Oniversiten’i Madagasikara : Hanomboka ny 13 marsa ny taom-pianarana

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, teny Fiadanana sy nampitain-davitra, ny Con­férence des présidents des universités (CPU) voalohany ho an’ity taona ity. Niarahan’ ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, tamin’ireo filohan’ny oniversite ma­nerana ny Nosy, ireo tale jeneralin’ny IST telo ary ireo filohan’ny oniversitem-paritra izany. Fivoriana faratampony mandinika sy manapaka ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara ny CPU. Nifan­toka tamin’ny lohahevitra dimy lehibe ny dinika natao. Voalo­hany ny tetiandron’ny oniversite ho an’ny taom-pianarana 2025-2026. Hifa­rana ny 16 febroary 2026 ny fisoratana anarana ary ny volana novambra no hifarana ny taom-pianarana. Tapaka fa hotanterahina ny 13 marsa ho avy izao ao amin’ny Oniversiten’Itasy, Soavinandriana, ny fanombohana ofisialy ny taom-pianarana. Ho fandaminana ankapobeny kosa, ny oniversite tsirairay hanolotra olona hampifandray ny minisitera mpiahy sy ny oniversite amin’ny fampitam-baovao isan-karazany. Mo­m­ba ny fanadinana Baka­lorea, efa nampitaina ny daty ofisialy hanatanterahana ny fanadinana ary hapetraka ny Direction office du Bac­calauréat ho an’ireo oniversitem-paritra hanamora ny fandrindrana.

Vonjy

Partager sur: