Nitafa tamin’ny profesora Zaranaina Fanomezantsoa Christian momba ny valanaretina Mpox ny Taratra ka nambarany fa tena ilana fijerena amin’ny lafiny siantifika fa tsy medikaly fotsiny io aretina io.
Mpikaroka siantifika pharmaceutique amin’ny orinasa vahiny Holding Endena, misahana ny fakana kasinga ao anaty zavamananaina fanaovana fanafody sady tale misahana ny fikarohana pharmaceutique ao amin’ny Bio Extract ny Profesora. Tsy nahita zavamaniry fitsaboana izy fa nahita kosa ny teknika hoentina miady amin’ny fomba fiarovan-tenan’ny virus ao amin’ny vatan’ny olombelona na ny vatan’ny biby izay mampiasa fomba hamandrihana virus ao amin’ny tenan’ny olombelona. Miditra ao amin’ny tenan’ny olombelona ny tsimokaretina ary mitady zavatra izy hivelomany, ho sakafony hahafahany mitombo sy miaina. Mamorona zavatra mitovy tanteraka amin’ilay tadiaviny ny Profesora hamandrihana sy hamitahana azy. Mampiasa ny mathématique algébrique amin’ny famoronana fanafody ary tany Japon izy no nianatra izany.
Nohazavainy fa tsy virus Mpox niditra avy any ivelany io miseho eto io fa virus niforona teto Madagasikara vokatry ny fandalovan’ny virus maromaro teto amintsika VIH, Covid. Raha jerena ary hanaovana fitiliana “génétique” dia mitovy amin’ny Mpox any ivelany io fa rehefa zohiny any anatin’ny fototra farany kely indrindra dia mitranga ny tsy fitoviana. Tsimokaretina efa tena matotra ilay mitranga amin’izao, eto amintsika.
Nomarihiny fa efa misy ny fanafody ampiasaina amin’izao fotoana izao hitsaboana ny Mpox fa mahomby kokoa ny fanafody hohanina ary hamono ilay tsimokaretina eo no ho eo. Mila fikarohana siantifika lalina hitsinjovana ny zavatra mety hitranga amin’ny hoavy. Mila koa fitsaboana tena mifanaraka sy miankina amin’ny zava-misy isika fa tsy hihanona amin’ny fitsaboana mahazatra satria miharava tsikelikely ny hery fiarovan’ny marary ary midina ny hery fiarovana itambarana.
Vonjy




