Rugby lalaovin’olona 7 – Divizionina faha-3 : Vonona handrombaka ny amboara ny Makis

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny diviziona fahatelo, taranja rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy. Anisan’ireo hiatrika izany ny Makis, lehilahy. Vonona izy ireo ny handrombaka ny amboara hiakarana ho divizionina faharoa.

Hotanterahina anio, ao Dubai, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy Divizionina fahatelo. Firenena 8 no hiady ny lohany ho an’ny sokajy lehilahy ka anisan’ny hiatrika izany ny Makis an’i Mada­gasikara. Efa ho herinandro no tonga any an-toerana ny delegasionina malagasy. Vo­nona ireo 12 mirahalahy mpilalao hiady ny ho tompondaka amin’ity.
Tonga mialoha ny Makis hizatra ny toe-tany any an-toerana. Fanamafisana ny tanjaka ara-batana no nanombohana izany. Nametraka ny taktika kosa avy eo ary nofaranana tamin’ny fijerena ireo karazan-dalaon’ny mpifanandrina. Tsi­a­hivina fa ao amin’ny vondrona “B” ny Makis miaraka amin’i Italia sy i Canada ary i Belgique.
Ry zareo Italianina sy Belgique no ekipa vaovao amin’ny Makis fa i Canada efa nifandona tamin’izy ireo, tamin’ny taon-dasa. Hanala vela amin’ity ny Makis satria resin’i Canada tany amin’ny fanalavam-potoana. Vonona tanteraka hanarina izay faharesena izay ny Malagasy mpilalao. Salama tsara avokoa ry zalahy ary ambony ny toe-tsain’izy ireo hiatrika izany.
Raha ny fandaharan-dalao, hifandona voalohany amin’ny Makis i Belgique, avy eo hifanandrina amin’i Italie ary hamarana ny fifanintsanana isam-bondrona i Canada. Hiatrika ny manasa-dalana ireo ekipa roa voalohany, ny alahady, ka hifanandrina amin’ izay roa tafavoaka ao amin’ ny sokajy “A”. Hiady laharana kosa ny ekipa resy. Marihina fa hiakatra ao amin’ny divizionina faharoa, ireo ekipa roa miatrika ny famaranana. Hiaraka ao amin’ny vondrona “A”, i Colombie, i Hong-kong Chine, Samoa ary Tonga. Heverin’ny rehetra fa sokajy maozatra ity.

Tompondaka

Partager sur: