Tsy handray anjara sy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra « PFL » amin’ity taona ity, ny AS Fanalamanga. Mbola mipetraka baraingo ny tena antony nahatonga azy ireo tsy hanao saingy raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny klioba dia ilay mpitantana vaovao eo anivon’ny orinasa no nandray fanapahan-kevitra ny tsy hampandray anjara azy ireo amin’izany. Mitohy kosa ny lalaon’ny andro faharoa ho an’ireo faritra rehetra.
Ho fantatra rahampitso, ny firenena izay hibata ny amboaran’i Afrika, amin’ny taranja baolina kitra. Hifandona amin’io i Sénégal sy i Maroc, mpampiantrano. Tsara marihina fa samy hiady ny amboara fanindroany ho azy avokoa ireto firenena roa ireto. Hivoaka aorian’io lalao famaranana io ny filaharan’ny Fifa vaovao.
Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianja Basikety Andraisoro, ny famaranana amin’ny “Inter Ecole”, karakarain’ny “Ecole de Basket” eo anivon’ny klioban’ny AT2B (Andraisoro tia basket ball). Lalao 6 eo amin’ny sokajy latsaky ny 10 taona, latsaky ny 12 taona ary latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy, no hitranga amin’ity famaranana ity.




