Tsy tratra ny tanjona ho an’ny Makis an’i Madagasikara, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Laharana fahadimy ny Makis ary mijanona ao amin’ny diviziona fahatelo ihany amin’ny taom-pilalaovana manaraka.
Nifarana omaly, tao amin’ny Sevens Stadium, Dubai, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy, ho an’ny sokajy D3. Laharana fahadimy, tamin’ireo firenena 8 nifaninana, ny Makis an’i Madagasikara. Vokatra izay tsy hahafahan’i Madagasikara miakatra ao amin’ny sokajy D2 fa mijanona ho D3 ihany amin’ny taom-pilalaovana manaraka.
Raha hiverenana ny lalana nolalovan’ny Makis nandritra ity fifaninanana ity, nitazona ny laharana fahatelo tao amin’ny sokajy B. Faharesena indroa nanoloana an’i Belgique, tamin’ny isa 24 no ho 0, sy tamin’i Canada, 24 no ho 17 no azon’ny makis. Nahazo fandresena tokana rehefa nandavo an’i Italie, 31 no ho 19.
Araka izany, niady laharana fahadimy ny Makis an’i Madagasikara. Nandavo an’i Colombie tamin’ny isa 26 no ho 10. Niverina nidona tamin’i Italie ka mbola nandresy tamin’ny isa mazava, 31 no ho 22. Azo lazaina fa tsy nampitsanga-menatra ny vokatra azon’ny Makis tamin’ity. Na izany, tsy mbola afa-bela tamin’i Canada ny Malagasy. Efa resin’izy ireo, tany Pologne, tamin’ny taon-dasa ary mbola lavony indray tany Dubai. Miakatra ao amin’ny D2, ho an’ny sokajy lehilahy, i Canada sy i Belgique. Resin-dry zareo Kanadianina tamin’ny isa 28 no ho 10, i Belgique. Ho an’ny vehivavy indray, tompondaka i Afrika Atsimo, rehefa nandresy an’i Argentine, 12 no ho 5, teo amin’ny famaranana.
Tompondaka




