Nampitandrina ny amin’ny mety ho fiakaran’ ny rano amin’ny lemak’Antananarivo, lalovan’ny reniranon’i Sisaony, ny avy amin’ny Apipa. Voakasik’izany ny kaominina 17 ahitana an’i Tsiafahy, Androhibe, Antsahadinta, Bongatsara, Atanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy. Miampy an’Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana ary Ampangabe.
Manoloana ny disadisa miseho any amin’ny Complexe Thermal Ranomafana Ifanadiana, manameloka tanteraka ny herisetra atao amin’ny mpiasan’ny Fahasalamana any an-toerana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Toeram-pitsaboana toy ny hopitaly io toerana io. Fanatsarana ara-pitantanana no natao ka tsy ilana antsojay.
Ampiasana moto pompe ny fanalana rano miandrona etsy Ilanivato, izay mampitaraina ny mponina hatrany. Iarahana amin’ny vondrona mpamonjy voina sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanatanterahana izany. Vokatry ny fanorenana tsy ara-dalàna efa an-taona maro no mahatonga ny fiandronan’ny rano eny an-toerana.




