Nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ireo solontenan’ny banky ara-barotra no nijerena ny fomba hanampiana ireo mpianatra ambaratonga ambony manao fandalinana sy manana tetikasa.
Teboka telo lehibe no noresahin’ny minisitra. Teo ny mba hisian’ny famatsiam-bola ho an’ny fikarohana izay tena ilain’ ny mpampianatra mpikaroha sy mpikaroka mpampianatra. Eo koa ny famatsiam-bola ho an’ny mpianatra ambaratonga ambony milofo amin’ny fianarana sy manao boky… Manampy izany ny tetikasa fampindramam-bola tsy misy zanany na taham-bola manokana. Tena andrandrain’ny mpianatra hahafahany mamita hatramin’ny farany ny fianarana izy ity.
Santatra ambavarano ny fihaonana fa mbola hisy ny dinika manaraka eo amin’ny roa tonta handrosoana ireo tolotra sy tetikasa azo tanterahina
Niara-nidinika tamin’izany ny avy amin’ny Sipem Banque, BMOI, Bred, BGFI Bank, Accès Bank, SBM, MCB, BNI, ary ny BOA.
Tatiana A




