Nahazo taona, saingy tsy lefy laza. Mbola vonona ny hisedra ny sehatra toy ny nataony nandritra ny taona maro nivalona i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana. Hamerina indray ireo hiram-pitiavana nitety vanim-potoana maro…
Maro ireo tsy nanantena intsony. Hany ka hafaliana no nandrasain’ ireo mpankafy ny vaovao hoe hiverina hiaka-tsehatra indray i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana. Hotontosaina ny alahady 15 febroary izao io, ao amin’ny Havoria, ORTM Anosy, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. “Noho ilay fitiavana ihany” no antony, sady lohahevitra iompanan’ny seho rahateo, amin’ny maha fankalazana ny fetin’ny mpifankatia io fotoana io.
“Betsaka ireo mbola manantena ny hahita hatrany an’i Henri Ratsimbazafy an-tsehatra. Izy rahateo mbola mahavita tsara na dia eo aza ny vesatry ny taona. Efa ela no nisy ny seho fampiaraham-peon’izy sy i Voahirana manokana, ka tianay haverina ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy”, hoy ny nambaran’ny mpikarakara, omaly. Tamin’ireo sanganasa marobe noforonin’i Henri Ratsimbazafy tokoa, anisan’ireo nalaza indrindra ny fampiaraham-peon’izy sy i Voahirana. Anisan’ireo hira nitety vanim-potoana ary mbola voarain’ny taranaka aty aoriana ny “Taiza? “Kanefa ianao”, “Manimanina ny tiako”, “Bonbongolo ilay fitia”, “Ny fitiavana ihany”, “Fony aho”, “Indro tazako”, “Prends ma main”, sns.
Raha tsiahivina, anisan’ ireo nanomboka ny sehatra tao amin’ny tarika Henri Ratsimbazafy i Voahirana. Nanao feo lafika nandritra ny taona maro, avy eo nitohy tamin’ny fampiaraham-peo izay nampalaza azy ireo izany. Nitety ny sehatra maro teto Antananarivo hatrany ivelany, tamin’ izany, saingy niato nandritra ny taona maro taty aoriana. Nisy ny fiverenana ny taona 2017 ary tsindraindray ny sisa taorian’izay. Ity kosa no hamerina ilay tena fampiaraham-peo sy talenta eo amin’ireto mpanakanto mpiray tsikombakomba an-tsehatra ireto, hotrotroin’ireo mpitendry efa mpanaraka azy ireo hatramin’ izay.
Zo ny Aina




