Tetikasa D-Clic. : Nanomboka ny fampiofanana ireo mpampiofana

Natomboka omaly, teny amin’ny Lycée teknika Ala­robia, ny fampiofanana ireo mpampiofana miisa 30 ana­tin’ny tetikasa D-Clic. Mifan­draika amin’ny fanofanana amin’ny asa niomerika no atao amin’izany. Hanatan­te­raka ny tetikasa ny minisite­ran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, iarahany amin’ny teknisianin’ ny OIF. Tanora lahy sy vavy miisa 1 000 avy eo ho eo no hofanin’ireo mpampiofana ho amin’ny asa niomerika, ao­rian’ny roa herinandro haharetan’ny fiofanana. Ampitain-davitra sy hatrehana mivan­tana ny fiofanana na ho an’ny mpampiofana na ny tanora. “Toe­ram-panofanana dimy eto Antananarivo, Toamasina, An­tsirabe ary Toliara, ahitana sekoly teknika tantanin’ny fanjakana, no handray ny fanofanana mandritra ny telo volana amin’ny faritra efatra”, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio. Nato­lo­tra omaly ireo fitaovana hampiasaina mandritra ny fiofa­nana. Enti-manaporofo fa hanomboka tokoa ny tetikasa D-Clic.
Hiompana amin’ny Mar­keting digital, Développe­ment web, Développement d’applications mobiles ny fiofanana. Ireo mantsy ny asa ahitana to­lotra maro amin’izao fotoana. Fiofanana misy kalitao, ma­maly ny filan’ny tsenan’ny asa no tanjona ary ny vehivavy no ampirisihina hiofana, hahafahany mivelatra amin’ny tontolo niomerika.
Hahazo tombony ireo ta­nora (18- 35 taona) avy amin’ ­ny tokantrano marefo. Rehefa vita ny fiofanana, mbola ma­nara-maso ireo tanora mpio­fana mandritra ny enim-bolana hatramin’ny he­rintaona ny minisitera sy ny OIF mano­hana ny tetikasa.

Vonjy

Partager sur: