Tsy ankitsitsy ny eny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Handraisana fepetra ary miafara amin’ny fanakatonana ny tsy fanarahan-dalàna ho an’ireo sekoly doktoraly…
Hentitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa namoaka ny naoty fampahatsiahivana ho an’ireo filohan’ny oniversite sy talen’ny sekoly doktoraly rehetra.
Mampitandrina ny minisitera amin’ireo didy aman-dalàna mahakasika ny fahazoan-dalana hiatrika fanohanana voka-pikarohana amin’ny mari-pahaizana doctorat sy ny HDR. Tsikaritry ny minisitera fa maro ireo sekoly doktoraly tsy manaraka ny fenitra akademika sy ireo dingana lalovana mialoha ny fanomezana alalana ny fanohanana voka-pikarohana hahazoana ny mari-pahaizana doctorat sy ny Habilitation à rédiger des recherchés na HDR.
Maharitra 3 taona farafahakeliny ny fanomanana ny diplaoma doctorat. Tsy maintsy misoratra anarana isan-taona ny kandidà ary tsy azo atao ny manambatra ny fisoratana anarana ho an’ny taona maromaro.
Tsy maintsy efa manana ny mari-pahaizana Doctorat na mari-pahaizana mitovy aminy hatramin’ny 3 taona farafahakeliny ny mpangataka ny mari-pahaizana HDR.
Tsy azo omena ny fahazoan-dalana hanohana voka-pikarohana raha tsy voahaja ireo fenitra akademika izay miantoka ny kalitaon’ny voka-pikarohana ireo, raha ny fanazavana.
Mampahafantatra ny minisitera fa miteraka tsy fankatoavana ny diplaoma ny tsy fanarahana ireo fepetra voarakitry ny lalàna manan-kery.
Raha voamarina ny tsy fandraisana andraikitr’ireo tomponandraikitra, hisy ny fepetra horaisina mifanaraka amin’izany, toy ny fisintomana ny fahazoan-dalana hisokatra (habilitation).
Mitohy hatrany, araka izany, ny fanadiovana ho an’ny tontolon’ny Fampianarana ambony ary voakasika avokoa ny sehatra rehetra. Tsy mitsitsy ny fanjakana amin’ireo manao gaboraraka sy mivaona amin’ny lalànan’ny fampianarana.
Tatiana A




