Fiarahamonina: Very hasina ny kolontsaina malagasy

Ny tsy fahafantarana ny fototra. Antony iray mahavery ny hasin’ny kolontsaina sy ny soatoavina. Na, fantatra ihany ilay fototra fa ny fomba iainana miaraka aminy no tsy vita intsony. Mbola manary ny hasina ihany koa ny tahaka io.

Tahotry ny akorain’ny fiarahamonina ka nanjary nampirimina sy nafenina ilay kolontsaina. Nanary ny hasiny ihany koa, sns. Efa tazana ao anatin’ny fiarahamonina avokoa, anefa, ireo.
Anisan’ireo andry lehibe mampijoro ny firenena iray ny kolontsaina sy ny soatoavina ao aminy. Noho izany, miteraka fahalemena eo amin’ny fiarahamonina ilay fahaverezan-kasina. Matetika, tsy tazan’ny Malagasy io zava-misy io. Satria, ny politika sy ny tontolon’ny toekarena no nomena lanja lehibe.
Ny kolontsaina sy ny soatoavina, very hasina. Tahaka izany koa ny fomba amam-panao, ny fady, ny teny, ny tany, sns. Ny maha olona mihitsy no nanjary marefo. Tsy ho lasa lavitra raha hifandresy lahatra aman’olon-kafa na amina firenena hafa. Tsy ahataka-javatra raha tojo tranga na olana mila vahana. Tsy afaka mandanja ny tsara sy ny ratsy intsony fa tia manao rapadango.
Ireo toetra ireo no misongadina sy iainana eny amin’ny fiarahamonina malagasy. Mi­ta­dy vahaolana lavitra be, anefa, ireo mihevitra ny hanarina izany. Mila omen-kasina ny kolontsaina sy ny soatoavina, ny fomba amam-panao. Hajaina ny fady, velomin-kasina ny fihavanana, sns. Hatan­ja­ka ny hasin’ny Malagasy tsirairay. Hatanjaka ho azy ny toekarena.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: