Vita ny fanavaozana ny laboratoara ho an’ny fianarana teny japoney eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo ary notokanana tamin’ity herinandro ity, teny Ankatso. Tafiditra amin’ny fanohanana tetikasa madinika vita sonia ny taona 2025 ny asa fanavaozana, mitentina 331 tapitrisa Ar. Zava-dehibe ho an’ny fianarana teny japoney ny fisian’ny laboratoara nanomboka ny taona 2014, vokatry ny fanampiana avy amin’ny fanjakana japoney ihany koa.
Nandritra ny taona 2025, nahatratra 110 ny mpianatra manaraka fampianarana ny teny japoney eny anivon’ny oniversite ary maherin’ny 300 ireo mpianatra hafa nisafidy ny teny japoney ao anatin’ny fianarany. Tsy vitsy tamin’ireo mpianatra no lasa nanohy fianarana any Japon.
Ankoatra ny fanavaozana ny fotodrafitrasa, nampitaovanina koa ny laboratoara hanaraka ny fenitra takin’ny vanim-potoana sy mifanaraka amin’ny filan’ny mpianatra. Nohatsaraina avokoa ireo efitrano fianarana, toerana natokana ho an’ny mpampianatra, trano famakiam-boky sy ny laboratoara. Vonona hatrany hanohana ny fampianarana eto amintsika ny fanjakana japoney, araka ny nambaran’ny masoihovony miasa eto amintsika, Tojima Hitoshi.
Vonjy




