Hanomboka ny taon-javakanto ao aminy ny CGM / GZ etsy Analakely. Mialoha izany, te hanampy ireo mpisehatra mba hahitana ny tena filan’izy ireo, ity ivo-toerana alemà-malagasy ity. Amin’ny alalan’ilay tetikasa « Aiza Eh ! » io, izay natao indrindra hanangonana ireo soso-kevitra avy amin’ireo mpisehatra ara-javakanto rehetra, arakaraka ny sokajin-kanto misy azy ireo. Tanjona amin’izany ny hamoahana fandaharan’asa tena mifanandrify amin’ny filan’ny sehatry ny zavakanto eto Madagasikara. Hizara roa mazava ity fanohanana ny kanto ity. Ny voalohany ny fiofanana sy fanamafisana traikefa, ho an’ireo mpanakanto matihanina. Ny faharoa kosa ny fanohanana ireo vao misondrotra, maniry ny hiroso lalina kokoa amin’ireo asa manodidina ny zavakanto. Asaina, araka izany, ireo liana sy voakasika mba hamaly ireo andiam-panontaniana ao amin’ ny pejin-tserasera Facebook an’ny CGM/GZ.
Mifandray amin’izay ihany, misokatra ho an’ireo mpanakanto manana forona tokony haseho ny sehatra ao amin’ny CGM, amin’ny volana marsa. Ny sabotsy voalohany sy ny sabotsy farany no hatokana hoan’izay, ka afaka mandray anjara daholo ireo avy amin’ny sokajin-kanto rehetra. « Scène découverte », natao ho an’ireo talenta vao misondrotra kosa ny isaky ny zoma faran’ny volana, hifankazaran’izy ireo amin’ny mpankafy. Mety avokoa na mpihira, mpanao slam, mpanao hatsikana, mpandihy, mpanao teatra, sns, ireo handray anjara.
Zo ny Aina




