Nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny talata lasa teo, no nampitana ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana nasiam-panovana.
Hotanterahina ny talata 16 jona 2026 ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy. Ny 6 jolay hatramin’ny 9 jolay kosa ny BEPC. Hotanterahina ny 20 jolay hatramin’ny 24 jolay ny fanadinana bakalorea ankapobeny. Mifanindran-dalana amin’izay ny fanadinana bakalorea teknolojika, teknika ary arakasa, tapany voalohany. Ny 27 jolay hatramin’ny 30 jolay kosa ny tapany faharoa amin’ireo fanadinana bakalorea ireo.
Tsiahivina fa niteraka resabe ny tetiandrom-panadinana nivoaka teo aloha ka izao nandraisana fanapahan-kevitra sy novaina izao. Afaka milamin-tsaina manomboka izao ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny mpampianatra. Ao anatin’ ny roa volana fahatelo, taom-pianarana 2025-2026 isika izao. Manenjika ny fahavitan’ny fandaharam-pianarana araka ny tokony ho izy ny mpampianatra na nisy aza ny fahatarana vokatr’ireny fahatapatapahan’ny fianarana ireny teny am-piandohana, noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena.
Tatiana A




