Tao anatin’ny dimy taona, nanokana vola 29,4 tapitrisa euros ny Vondrona eoropeanina hanohanana ny Pam sy ny fanjakana malagasy ho fiahiana ny maha olona. Anisan’izany ny fametrahana ivontoerana lehibe vaovao fitehirizana entana ao Manakara, hanamorana ny fiomanana mialoha manoloana ny loza sy ny tandindon-doza.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Hub Logistique Humanitaire (ivontoerana lehibe fitehirizana entana) ao Manakara. Ny BNGRC, ny Pam ary ny Vondrona eoropeanina, niaraka tamin’ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, no tany an-toerana nanatanteraka izany. Vy nahitana ny fotodrafitrasa ny Pam ary namatsy ny asa ny Vondrona eoropeanina. Tan-jona ny hanamafy ny fahafahan’i Madagasikara miomana sy miatrika ny hamehana samihafa mety hitranga. Tafiditra amin’ny paikady nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (SNGRC) izany. Napetraka tsy lavitra ny fiantsonan’ny fiaramanidina sy ny seranan’ny sambo ny ivontoerana vaovao hanamorana ny fanatobiana ireo entana ilaina sy ny fandrindrana ny asa eny ifotony sahanin’ny mpisehatra rehetra.
Azo hanatobiana entana milanja 1 000t ny ivontoerana, miaraka amin’ny efitrano fiasana. Voaara-maso tanteraka ny maripana ao anatiny. “Haingana kokoa ny famaliana ny asa maika mifandraika amin’ ny filan’ny vahoaka eny ifotony ao anatin’ny hamehana”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Natao manatona ny mpisitraka ny tolotra, manamafy ny fitsinjaram-pahefana ny fametrahana ny ivontoerana ao Manakara.
Nanohana ara-teknika nandritra ny fananganana azy ny Pam. Nanomboka ny taona 2019 no ho mankaty izay nisehoana rivodoza maromaro sy tondradrano teto Antananarivo, nametraka fomba fiasa matanjaka mifototra amin’ny fametrahana mialoha ireo entana sy fitaovana ilaina mialoha ny fiavian’ny voina ny Pam, araka ny fanazavan’ny solontenany.
Mitentina 800 000 euros ny sorabola nampiasaina nametrahana ny ivontoerana ao Manakara io avy amin’ny Echo sy ny Pam.
Vonjy




