Raharimalala Léa : Hamarana ny fankalazana ny 50 taona nanaovany volley

Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny famaranana ny fankalazana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala Léa Manary teo amin’ny taranja volley- ball.

Ny 22, 23 ary 24 janoary izao ny fotoana nosafidian’ny filohan’ny Fede­rasionina malagasin’ny volley-ball hamaranana ny jobily fankalazana ny faha-50 taona nanaovany volley. Ho feno
tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra io 3 andro io. Ankoatra ny fiarahana mi­korana, ho maro koa ny lalao. Lalao eo amin’ny sokajy latsaky ny 15 taona, lahy sy vavy, ary ny sokajy “1ère division”, lahy sy vavy no ho hita amin’izany. Efa maro ireo klioba namaly ny fanasana ka hifaninana mandritra izany. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 15 taona, vehivavy, handray anjara ny klioban’ny ASI 1, ASI 2, GNVB 1, GNVB 2, 2AVB 1, 2AVB 2 ary ny ASSM. Ny klioban’ny ASSM sy ny GNVB kosa no hoavy ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona, lehilahy. Hisy ihany koa ny fifaninanana eo amin’ny sokajy “1ère division” ka handray anjara eo amin’ny vehi-vavy, ny ekipan’ny Squad X, AMVB, GNVB ary ny ASI; raha toa ka ny ekipan’ny Cosfa, GNVB 1, GNVB 2 ary ny Mama kosa no hifaninana eo amin’ny lehilahy. Tsiahivina, efa nisy ny fanokafana sy ny ivon’ny fankalazana tamin’ny taona 2025. Tia ary tena nitombo tao anatin’ity taranja ity Raharimalala Léa. Mpilalao fahiny nandrafitra ny ekipam-pirenena mala­gasy izy ary mbola eny an-kianja ihany koa ankehitriny ho an’ny lalao natokana ho an’ ny sokajy zokiny.

Mi.Raz

Partager sur: