Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny ny US Monastir, klioba divizionina voalohany, taranja baolina kitra any Tunisie, fa mpilalao an’izy ireo amin’ny fomba ofisialy i Behaja, Malagasy. Nampahafantarina afakomaly, tany an-toerana izany ary haharitra hatramin’ny taona 2029 ny fifanarahan’ny roa tonta. Tsara ny mampahatsiahy fa mpilalaon’ny Jet Kintana teo aloha i Behaja.
Hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny lalaon’ny Antimo Record sy ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy. Fihaonana tafiditra amin’ny andro fahatelo, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League (PFL)”. Antony, ny fisian’ny andro ratsy sy ny mety ho fiatrakain’ilay rivodoza handalo ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara.
Tonga nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny Federasionina malagasin’ny basikety ny avy eo anivon’ny Ligim-paritra Analamanga. Notarihin’ny birao foibe, nahitana ny filohan’ny ligy, Ratovonjanahary Haingo Mampionona sy ny filoha lefitra, Andriambololona Tefy izany. Niaraka tamin’izy ireo ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny Ligin’Analamanga sy ny filohana seksionina 5 mandrafitra ny ligy.




