Tsipy kanetibe-ligy Analamanga : Hanao fihaonambe hanatsarana ny taranja

Hotanterahina ny sabotsy 24 janoary ho avy izao, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fivoriambe voalohany ataon’ ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Hatolotra amin’ io koa ireo fandaharam-poto­ana rehetra ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Hankatoa­vana ny fitsipika rehetra, ara-teknika sy ara-moraly ary ny ara-bola ihany koa. Hampaha-fantarina, mandritra izany, ny mpikambana rehetra man­drafitra ny ligin’Analamanga. Tsiahivina fa vaovao ny filoha mitantana ny ligy: Andriantsi­ferana Ravaka. Ankoatra izay, hisy ny fihaonambe hanasana ny mpitia tsipy kanetibe rehetra ato anatin’ny faritra Ana­lamanga, ny mpiasa sy mpilalao, ny olon-tsotra ary ireo orinasa miankina sy tsy mian­kina, ny mpanao gazety ary izay rehetra misehatra ao anatin’ity taranja manavanana ny Malagasy ity. Dinika hiainoana ny hetahetan’ireo sehatra rehetra ireo amin’ny fomba hanatsarana ity taranja ity eto Analamanga ka hampivoa­rana azy. Hita sy tsapa mantsy fa toa mihena ny lanjan’ity taranja ity, ho an’ny eto an-dRenivohitra. Ny hamerina ny lazan’izany indray eto Anala­manga no tanjon’ny mpitan­tana ankehitriny. Anisan’ny hodinihina ny amin’ireo fifaninanana tsy anaty rafitra nefa mahazo vahana manerana ny tanàna. Ampirisihina ihany koa ireo mpilalao ho ao anaty ekipa mba hahitana ny fahaizan’izy ireo fa tsy hianona amin’ny “tournoi sauvage”.

Tompondaka

Partager sur: