Voka-pikarohana: Hapetraka ny ivontoerana hamatsy vola

Notanterahina teny amin’ ny primatiora, Lapan’i Maha­zoarivo, omaly, ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera dimy momba ny lohahevitra avy amin’ny fikarohana mankany amin’ny fiantraikany. Fiaraha-miasa stratejika ho an’ny fanavaozana sy fahaleovantena ara-toekarena ho an’i Madagasikara.
“Tanjona ny hamadika ny voka-pikarohana ho fitaovana mivantana amin’ny famoro­nana asa. Haivao hitondra fahaleovantena ara-tokerana ho antsika », hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, profesora Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy.
Anisan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny tsy mi­ankina sy ny fikarohana izay nanohana ny toekarena ny fiompiana dingadingana avy amin’ny Malagasy mpikaroka. 15 taona izay no itrandrahana izany any Atsimo ary hiitatra any Sava sy Diana, izay voalohany aty Afrika, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga.
Voka-pikarohana iray hafa koa ny fambolena lomotra izay nahafahana nametraka ori­nasa mamorona asa ho an’ny fianakaviana 5 000. Maha­tratra 400 000 Ar hatramin’ny 1 tapitrisa Ar isam-bolana ny vola miditra amin’ny fianakaviana iray. Amin’izao fotoana, misy koa ny voka-pikarohana azo hamadihana ny lomotra ho plastika levona ary miandry mpandraharaha handray izany hamadihana azy ho asa.
« Nisongadina tao anatin’ ny fiaraha-miasa ny hametrahana ivontoerana iray hama­tsy vola ireo voka-pikarohana samihafa ho azo jifaina amin’ ny fiainana andavanandro sy hamorona asa ho an’ny tanora manomboka amin’ity taona ity », hoy ny minisitry ny In­dostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, An­driniaina Rasoarahona.

Vonjy

Partager sur: