Taorian’ny “Forum régional” notanterahin’ny ligin’Analamanga, taranja Échecs, hiditra avy hatrany amin’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2026 izy ireo. Hisy, araka izany, ny fifaninanana hotontosaina ny 31 janoary izao, eny amin’ny Akademia asionalin’ ny spaoro (ANS) Ampefiloha. Amin’ny maha fifaninanana fanokafana ny taona azy, tsy mifidy fa misokatra ho an’ny rehetra izany. Misokatra ho an’izay Mbola vao hanomboka hisehatra amin’ity taranja ity, ireo salantsalany ary ireo efa avo lenta sy kalaza. Raha ny fandaharam-potoana, hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny fifaninanana ary haharitra hatramin’ny 6 ora hariva eo. Ny sokajy latsaky ny 10 taona, latsaky ny 14 taona, ny manana elo -1 700 sy +1 700 no handray anjara ary efa misokatra ny fisoratana anarana. Tsiahivina fa tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lycée JJ Rabearivelo, ny “Forum régional” teo amin’ny taranja Échecs, ho an’Analamanga. Fotoana nihainoana ireo mpisehatra rehetra eo amin’ity taranja ity ihany koa. Hampivoatra ny Échecs eto Analamanga no tanjona, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga taranja Échecs, Raharimanana Faratiana.
Mi.Raz




