SOMBIM-BAOVAO

Maro ireo firenena mikitika an’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, efa maniry ny hifandray aminy i Mali, Bénin, Jordanie. Mbola manana faniriana ny hitondra ny Barea hatrany nefa ity frantsay teknisianina ity noho ny fahitany fa mbola azo atao tsara ny mampisondrotra ny baolina kitra malagasy. Raha ny fanazavana azo tamin’io mpampita vaovao io, mbola resaka karama no mampihisatra ny raharaha.

Tafita avy hatrany any amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, «Ligue des Champions 2025», taranja baolina kitra, ny Arsenal, klioba anglisy. Tsy mbola nahita faharesena tamin’ity fifanintsanana eoropeanina ity izy ireo, ary mitana ny laharana voalohany. Faharoa manaraka azy kosa, ny Bayern Munich, ekipa alemà ary fahatelo ny Real Madrid, espaniola.

Hitohy ny alahady izao, eny amin’ny Kianja Itaosy sy Betongolo ny fifaninanana “Super Coupe”, taranja volley, izay karakarain’ny ligin’Analamanga. Fifaninanana fanokafana ny taom-pilalaovana. Lalao eo amin’ny sokajy “2è division”, lahy sy vavy, sy “1ère division”, lahy sy vavy, no hitranga mandritra izany, ahitana lalao miisa 8, ka ny 5 hatao eny amin’ny Kianja Betongolo ary ny 3 kosa hotontosaina eny amin’ny Kianja Itaosy.

Partager sur: