Fihaonana sy fakan-kevitra : Nifampihaino ny MJS sy ny Federasionina

Araka ny tapaka nandritra ny fivoriana natao taorian’ny nitantanan-dRasambany Alain, minisitra, ny minisite­ran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fi­haonana teo amin’ny MJS, ny federasionina isan-tsokajiny ary ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena. Fihaonana voalohany izay kasaina hatao isan-telo volana izy ity. Tan­jona ny hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny telo tonta, araka ny nambaran’ny minisitra. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny tokony hana­jana ny didy aman-dalàna sy ny sata misy ny tsirairay. Tan­jona ny hisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny fanampiana ara-bola. Ankoa­tra izay, efa mipetraka ny fandaharam-potoana hanatanterahana ny fakan-kevitra nasionaly ho fa­nanganana ny Poli­tika nasionaly momba ny fanatanjahantena (PNS). Ity farany izay iarahan’ireo mpisehatra marolafy manatanteraka. Handeha ny fitetezam-paritra manomboka ny volana febroary ho avy izao. Nofara­nana tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy famaliana fanontaniana ary fanamarihana avy amin’ireo federasionina ny fotoana.

Mi.Raz

Partager sur: