Ny Deep, Arake ary ireo mpiara-miombon’antoka malagasy hafa nandray anjara tamin’ny famaritana ny taridalana sy ny tanjona ary ny sehatry ny Madagascar Challenge Fund.
Ekipa mpikaroka sivy eto Madagasikara no nahazo famatsiam-bola ho an’ireo tetikasa hamokatra fanadihadiana sy porofo ara-tsiantifika hanampy amin’ny ady amin’ny fahantrana lalina eto amin’ny firenena. Ireo tetikasa ireo izay hanome vokatra ara-pikarohana mifanaraka amin’ny filana sy ny laharam-pahamehan’ny mpanapa-kevitra ho tombotsoan’ny daholobe, hanazava sy hanohanana ny politika, ny fandaharanasa ary ny paikady nasionaly. Novolavolaina tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny ONG malagasy Arake ny Deep Madagascar Challenge Fund. Natomboka ny volana mey 2025 ny antso ho fandraisana tetikasa ka 106 ny tolo-kevitra voaray. Ireo tetikasa voafantina izay mifantoka amin’ny olana lehibe mifandraika amin’ ny fahantrana sy ny fampihenana izany eto Madagasikara, toy ny fiovan’ny toetr’andro, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fahasalaman’ny tany, ny fanilikilihana ny vondrom-piarahamonina marefo ary ny fifindra-monina anatiny.
Ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola: Laboratoire Mitsilo, Centre d’études et de recherche en économie de la santé (Ceres), Findrama Marc Elson Rasolofoniaina. Ny Centre Fafiala, Institut d’études politiques Madagascar (IEP), Mamy Rajaonarisoa sy Anja Radoharinirina mitarika, ny CR-AT2D, Aquaterre ary Junot Livah Randriamizana.
Vonjy




