Tanterahina any France, ny 14 hatramin’ny 27 mey izao, ny Foara Gasik’Art Manja sahanin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, tarihin’ny minisitra Rafaralahy Lucie.
Ao amin’ny Chateaux Chambord, ao Suèvres, no handraisana ireo rehetra handray anjara amin’ny hetsika. Efa mandamina ny fandraisana azy ireo any an-toerana ny ekipan’ny minisitera ary nitsidika ny Coq Noir sy ny manodidina ho fiomanana amin’ny lafiny fotodrafitrasa.
Hatramin’ny 28 febroary izao ny fisoratana anarana ho an’ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany sy mpanao asa tanana maniry ny handray anjara amin’izany.
Tanjona, araka ny nambaran’ny minisitra, ny hitaona ireo Malagasy mpanao asa tanana sy mpisehatra amin’ny fizahantany eto Madagasikara haneho ny fahaiza-manaony any ivelany.
Ho hitan’ny Eoropeanina sy ny vahiny ny hakanton’i Madagasikara sy ny vokatry ny asa tanana. Hanehoana ihany koa ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny, mitondra ireo karazan-tsakafo mampiavaka an’i Madagasikara. Fa indrindra, manandratra ny kolontsaina malagasy.
Tatiana A




