Hiatrana anio, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny mpilalao volley ball fahiny, ahitana an-dRaharimalala Léa, hamaranany ny fankalazana ny faha-50 taona nanaovany ity taranja ity. Nizotra nandritra ny 3 andro ny famaranana ny fankalazana, izay nandraisan’ny ekipa manomana ny CCCZone 7 anjara ihany koa.
Fambolen-kazo any Manjakandriana no hanombohan’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, ny taom-pikatrohana 2026. Tanterahina ny 21 febroary izao izany, araka ny fandaharam-potoana ka hanasan’izy ireo ny mpisehatra rehetra eo anivon’ny tontolon’ny basikety tsy ankanavaka.
Hotanterahina ny faran’ny herinandro ho avy io ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Pureplay Football League (PFL) ». Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny lalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra sy ny kaominina, Uscafoot, izay hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe. Marihina fa mitana ny laharana voalohany vonjimaika ny Disciples FC Vakinankaratra.




