Tsipy kanetibe: Namoaka lalàna vaovao ny FIPJP

Nanomboka ny 1 janoary 2026 lasa teo, misy lalàna vaovao eo amin’ny fifaninanana tsipy kanetibe maneran-tany. Niarahan’ny Federasionina iraisam-pirenena (FIPJP) sy ny federasionina frantsay napetraka izany. Tsy maintsy mitondra fanamiana mihaja ara-panatanjahantena ireo mpilalao rehetra. Tsy ekena ny akanjo mihanjahanja, ny fanaovana pataloa rovitra na maloto. Tsy azo atao koa ny mitondra kapakapa fa tsy maintsy kiraro (tennis) manarona ny tongotra iray manontolo. Ny tsy fanarahana ireo, mitarika sazy ho an’ny ekipa iray manontolo. Ankoatra izay, tsy afaka mikitika na manala ireo heverina ho sakantsakana eny ambony kianja intsony ireo mpilalao. Afaka manamboatra ny kianja kosa mialoha ny hanipazana ny bosoa. Azon’ny mpifanandrina ny manototra ny lavaka nitontonan’ny kanetiben’ny mpifanandrina, mialoha ny hanipazany ny kanetiny. Hahazoana karatra mavo ny tsy fanajana izany lalàna izany ary mety hitarika hatramin’ny faharesen’ny ekipa roa tonta, raha misy firaisana tsikombakomba.

Tompondaka

Partager sur: