Tao anatin’ny roa volana niasana: 6 223 ny pasipaoro navoaka ka nampidi-bola 1 382 370 000 Ar

Tao anatin’izay roa volana nitsanganan’ny governemantan’ny Fanavaozana izay, nihetsika avokoa ireo rantsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ireo polisim-pirenena manerana ny Nosy. Nisy ny vokatra azo.

Ho an’ny lafiny fampandriana fahalemana, na­nao ny ezaka ny polisim-pirenena manerana an’i Madagasikara nahafahana nampihena ireo karazana fandikan-dalàna mifandraika amin’ny tsy fandriampahalemana. Amin’ireo raharaha nahazoana fitarainana teny amin’ireo sampandrahara­han’ny polisim-pirenena ma­nerana ny Nosy, nahatratra 76,80% ny fanadihadiana vita ka natolotra ny fampanaovana. 126 ireo halatra na fandro­bana voasakana noho ny fidirana an-tsehatra haingana nataon’ny polisim-pirenena.
Mahakasika ny fampiofanana mitohy sy ny fampiofanana fototra, nivoaka ny 14 desambra lasa teo ny commissaire de police 30 sy officiers de police 48 avy amin’ny andiany Mendrika izay efa teny an-kianja avy hatrany. Manampy ireo ny polisy 1 145 avy amin’ny andiany Maneva ahitana ny Inspecteurs de Police 149 sy ny agents de police 996.
Ho an’ny fiarovana ny sisin-tany sy angom-baovao momba ny fanaraha-maso ny fifindra-monina, mahatratra 6 223 ireo pasipaoro navoaka ka nampidi-bola 1 382 370 000 Ar tao amin’ny kitapombolam-pan­jakana. 9 535 ny visas « non immigrants » no­mena teny amin’ireo seranana ka nampidi-bola 803 755 000 Ar, niampy fanomezana « visa court séjour » miisa 131 nampidi-bola 10 480 000 Ar.
Momba ny ady amin’ny fiparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina, 116 ireo olona voasambotra sy efa natolotra ny fampanoavana ka misy teratany vahiny izy ireo izay mandalo eto amintsika ary mikasa hanao trafika any amin’ny nosy rahavavy). Nisy ireo karazana zava-mahadomelina azo tamin’ireo mpanao trafika ireo ka mahery vaika ny sasany (Metamphétamine, métaqualones, rôrô, …), an­koatra ny zava-mahadomelina rongony izay efa nisy teto hatramin’izay.
Mahakasika ny fampanajana ny fitsipi-pifehezana sy ny etika ary ny ady amin’ny kolikoly, manana ratsa-mangaika miandraikitra izany ny polisim-pirenena, Tao anatin’ ny 2 volana, polisy mandika fitsipika dimy no efa miakatra CODIS.

Vonjy

Partager sur: