Fikambanana Fivama : Hofanina ho sahy hiteny imasom-bahoaka ny vehivavy

Andiany faharoa ny hetsika fanofanana amin’ny fahasahiana mandray fitenenana imasom-bahoaka na ny « art oratoire » nataon’ny Fikamba­nan’ny vaiavy Mandritsara mi­laranivahitra eto Antanana­rivo. Nitombo ny mpandray anjara satria an-jatony ireo liana raha nanodidina ny 67 izany tamin’ny taon-dasa. Hahafahana misokatra amin’ny sehatra maro ny fahaiza-miteny imasom-bahoaka.
Tombony hoentina amin’ny fiainana, hananana fahatokisan-tena sy fahasahiana maneho hevitra amin’ny fom­ba tony kanefa mandresy la­hatra izy ity. Na ny fijery na ny fijoro na ny fiakanjo, hatramin’ny fihetsika, dia nampianarina ireo vehivavy nanaraka izany avokoa mba tsy hatahotra na ho vahobahotra rehefa maneho hevitra.
«Maro ny vehivavy ma­nan-kevitra tsara kanefa sakana ny henatra na tsy fahasahiana mijoro milaza izany. Lasa mikobona anaty fotsiny izy ireny», hoy ny filohan’ny fi­kambanana Fivama, Ramian­drisoa Joela. Izany no nahatonga ny filohan’ny fikambanana hanolotra fiofanana mba hanana fahasahiana hiantsehatra, ho sahy iteny ny vehivavy. Mbola misy ny toerana sa­sany eto amintsika tsy manome sehatra ny vehivavy hiteny noho ny fomba sy kolontsaina kanefa fotoana izao hijoroan’ny andriambavilanitra, manana ny maha izy azy. Niaraha­na tamin’i Idealy Ratsimisetra, avy amin’ny Extremlife, ny fiofanana.

Tatiana A

Partager sur: