Notontosaina teny amin’ny Akademia nasionalin’ny Fanatanjahantena Ampefiloha, ny 31 janoary hatramin’ny 1 volana febroary teo, ny fampiofanana ny mpitsara mahakasika ny fihetsika mirindra « Pomsae » sy ny adin’olon-droa « Kyorugi » amin’ny taranja Taekwondo WT. Nanatrika izany ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD).
Hotanterahina, anio, amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny fihaonana eo amin’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny CosPN Analamanga. Fifanandrinana tafiditra amin’ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona voalohany, « Pureplay Football League (PFL) ».
Hotontosaina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny lalao All star U15, vehivavy, taranja Volley-ball. Hisy ihany koa ny lalao fanomanana ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka, ho an’ny klioba handray anjara amin’izany, amin’io fotoana io, araka ny fandaharam-potoana.
Notokanana ny sabotsy 31 janoary lasa teo, ny kianja mitafo maoderina ao Betafo. Tonga nitokana izany ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana sy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré.




