Raha mba mifanaja!  

Manahirana ny zava-miseho, indraindray, rehefa ny olona no tsy vonona ny hihaino sy hifananatra amin’ny tsara. Sarotra ny serasera rehefa tsy ny saina no miresaka fa ny fo sy ny hambom-po diso toerana. Saro-pady anatin’ny fitantanana ny raharaha anaty manontolo iray anefa izany. Indrindra amin’ny vanim-potoana tahaka izao. Tsy kilalaon-jaza, akory.
Mahavariana ny olona fa rehefa miakatrakatrakely izay ny voninahitra dia hadino fa mbola ety ambonin’ny tany ihany izy ireo. Hadino ny rafitra an-tanan-tohatra. Mivadika ny rasa sy ny tantaram-piainana. Tahaka ireny sy ho tratry ny aloka ireny ka mandrefy ny olona tsy tokony ho refesina. Mivadika ho mafy be tampoka teo, tompon-tanàna hoe fa tsy mpindrana.
Anisan’ny tsy fahaiza-miaina, fahadisoana goavana ny tahaka izany. Tsy nisy niakatra ambony ka tsy nitontona teto. Tsy nisy nilaza ho mafy saingy lavo ihany rehefa tsy nahay nametraka ny tongony. Izay no hisafidianana ny olona mba ho namana sy hametrahana fitokisana. Betsaka no nasondrotry ny vintany fa natonton’ny tsy fahaizany miaina.
Mivadibadika io tantara io Raolombelona. Izay milingilingy, tsy manao kajy matotra ihany, no midofotra. Tsy misy afaka ny mitompo teny fantatra amin’izay fonosin’ny ampitso. Na tsara toerana sy mahazo laka amin’ny sehatra samihafa aza, tsy tokony hizahozaho. Tsy natao ho an’ny olona tsy ampy fahamatorana mihitsy ny fifehezana ny fiainan’ny hafa sy ny fiainany.
Zava-dehibe sy tsy azo tsinontsinoavina ny fahaizana manetry tena. Vidian-dafo ny tsy fahafehezana ny tendrim-po tsy mba namana. Izay tsy mahay sy tsy mahafehy tena fa entin’ny “vintana nitsiky tampotampoka” dia tsy maintsy mijinja izay nafafy, raha tsy mahafehy tena.

r.r

Partager sur: