DAKA AN-JORONY

Etsy manao tsipoapoaka Eroa manao tsipaipaika

Mahagaga toy ilay vazaha nahita lava-tsaonjo ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, amin’izao fotoana. Atao hoe milamina toa tsy milamina. Lazaina hoe misavoritaka toa mizotra ihany. Tsy hay in­tsony izy ity fa arahina am-bokony eny, hoy ireo tsy te haka aretim-po. Ny etsy tokoa manao tsipoapoaka, ny eroa manao tsipaipaika. Misy ny miezaka manao ny marina sy mandeha am-pahitsiana saingy misy koa ireo mikivilavila famindra ka mamingana ny hafa.
Mahafinaritra fa ao ireo mifamonjy amin’ny sarotra ka avela aloha ny hambom-po fa miray hina amin’ny traboina, ka manao tsipaipaika. Etsy an-kilany kosa, ireo efa vonton’ny fankahalana sy tsy mahita afa-tsy ny tsy mety ka na ao anatin’ny sarotra aza dia manao tsipoapoaka. Toa manao hevi-boalavo ka ny saka matory indray no alam-bolom-bava. Mampalahelo fa tsy miafina amin’ny rehetra intsony ny lamba maloto, tokony ho sasana ao an-tokantrano fa efa mivoaka ety ivelany.
Sasanangy samihafa nefa ny manao fa kely ny vokatra sy ny tsy manao fa be kihana. Ny ezaka tratrarina tsy vitan’ny indray andro fa mila fikirizana sy herim-po. «Raha indray mandeha mantsy no lavo, miharina indray rahampitso. Raha mbola mianjera rahampitso, aza mijanona. Andramo indray ny mamindra, mandrapaha-tojo ilay tanjona. Tadidio fa tsy farany amin’ny fiainana akory ny tsy fahombiazana», hoy i Nelson Mandela, filohan’i Afrika Atsimo, tamin’ny fotoanandrony. Koa tsy mety raha ny etsy manao tsipoapoaka, ny eroa manao tsipaipaika. Aleo atao teny tsara rindra sy gadona miara-mamindra. Raha saropanina, aza tia lingilingy. Raha mora reraka, aza zatra fiakarana.

Tompondaka

Partager sur: