Taorian’ny nandravaravan’ny rivodoza Fytia sy Gezani, ny volana febroary lasa teo, nahakasika distrika 29 sy faritra fito, miditra amin’ny dingana fanarenana sy fanavaozana maharitra i Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny BNGRC, ny fanokafana ofisialy ny fiofanana momba ny fanombanana ny filana sy ny fahasimbana aorian’ny loza (PDNA). Nitarika izany ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Anisan’izany ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, ny solontenan’ny Firenena mikambana, ny CPGU ary ny Vondrona eoropeanina.
Ny fiofanana natao izay mikendry ny handrefy amin’ny fomba feno ny fahasimbana sy ny fatiantoka, hamaritana ny laharam-pahamehana ary hanampy amin’ny famolavolana paikady mazava ho an’ny fanarenana maharitra. Hanamora ihany koa ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sy ny fitadiavana loharanon-karena.
Tarihin’ny BNGRC sy ny CPGU, miaraka amin’ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, ny hetsika. Mikendry ny hampivondrona ny hery rehetra ho amin’ny fanarenana maharitra an’i Madagasikara.
Vonjy




