Depiote Randrianasolo Nicolas; « Maro no efa nahazo tombony … »

Naneho ny fomba fahitany ny toe-draharaham-pirenena misy amin’izao fotoana izao ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety teny Antanina­renina. Nambarany fa mifamahofaho ny resaka politika amin’izao fotoana izao. Marobe rahateo ireo zavatra tsara ho fantatry ny vahoaka malagasy. « Ny filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny ekipany ihany no mahatonga izao savorovoro eto amin’ny firenena izao. Mbola tsy zakan’ny mpitondra teo aloha ihany ny fialany teo amin’ny fitondrana ka mahatonga azy ireo mitady ny fomba rehetra hanakorontanana ny firenena », hoy ny fanazavan’ny depiote Randria­nasolo Nicolas. Ny zavatra tsara ho fantatra anefa, maro no efa nahazo tombony tamin’izao fitondrana izao, raha ny nambarany. Nohitsin’ity so­lom­bavambahoaka ity anefa fa efa noravan’ny fitondrana teo aloha ny firaisankinan’ny depiote. Mbola misy ihany ireo depiote amin’izao fotoana izao no sahy manakiana ny ezaka ataon’ny fitondrana. Nitodika tamin’ireo tanora Gen Z ihany koa, noho ny fihetsika ataon’izy ireo tsy mifanaraka amin’ny tolona natao teny an-kianja. « Aza manakorontana ianareo Gen Z. Tsy afaka hanatanteraka ny sitrapo tadiavinareo ny fitondrana. Mbola ao anatin’ny Tetezamita rahateo isika amin’izao. Tsy mora izany manao fanarenana ny zavatra nopotehin’ny mpitondra teo aloha izany », hoy izy. Rehefa tsy mahazo toerana ianareo dia hanangam-pahavalo ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny fanazavany. Niantso ireo olona manodidina ny filohan’ny Fanavaozana izy mba hahay handanjalanja ny zavatra tokony ho tenenina. « Tsy izay miteny rehetra dia manana ny marina fa raha te hanao politika dia miandrasa fifidianana. Aza korontanina amin’ny ady seza ny filoha Randria­nirina Michaël », hoy hatrany ny depiote Randrianasolo Nicolas.

Jean Claude

Partager sur: