Kolonely Randrianirina Michaël : Manana andraikitra lehibe amin’ny fifidianana ny Foloalindahy

“Mazava ny zotra ho an’ny manamboninahitra malagasy, mila miady amin’ny kolikoly”, hoy ny Filohan’ny Fana­vaozana. Nohamafisiny nandritra ny Fandresena 2026, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe koa fa manana andraikitra lehibe amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Foloalindahy.

Notanterahina tao amin’ ny Akademia Miaramila Antsirabe, omaly, ny Fan­dresena 2026. Navoaka tamin’ ny fomba ofisialy ny andiany iraisam-piadiana faha-22, nahi­tana manamboninahitra miisa 40 ka vehivavy ny dimy. Sam­bany, namoaka manamboninahitra vehivavy iraisam-piadiana ny Foloalin­dahy.
Nifanindran-dalana tamin’ izany, notanterahina nandritra ny lanonana ny fanaovana batemy ny andiany mivantana faha-XLVIII misalotra ny anarana Taratra. 90 mianadahy no manaraka ny fiofanana. Miisa 10 ny vehivavy, 10 ny teratany vahiny amin’izy ireo. Maharitra telo taona ny fianarana ka hiditra amin’ny taona faharoa izy ireo, ankehitriny.
Marihina fa efa hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny fanadinana dingana voalo­hany, handraisana ny andiany mivantana faha-XLIX sy ny iraisam-piadiana faha-23. Nahemotra kosa ny fandrai­sana ny andiany manokana.

Fifidianana eken’ny rehetra

Taorian’ny matso namaranana ny lanonana ara-miaramila, nisy ny nofon-kena mitam-pihavanana. Nandritra izany no nanaovan’ny kolonely Randrianirina Michaël antso avo amin’ny manambonina­hitra vao nivoaka mba hana­jan’izy ireo ny tokim-panompoana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fisafidianana hiasa any ambanivohitra.
Nasiany tsindrim-peo ihany koa ny tokony handraisan’ny Foloalindahy andrai­kitra amin’ny raharaham-pirenena. Nambarany fa manana andraikitra lehibe izy ireo amin’ ny fanatanterahana ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra, ka izay filoha lany dia tena avy amin’ny vahoaka.
Ankoatra izay, manentana ny olom-pirenena izy hana­mafy ny fitiavan-tanindrazana.

Riana Raymond

Partager sur: