Ahoana ihany ny amin’ny fikaonandoham-pirenena? Mahabe resaka… Nanamafy ny FFKM fa vonona hitarika. Mialoha izany, hisy ny fihaonambe eto Antananarivo, amin’ny 18-21 mey ho avy izao.
“Manamafy ny FFKM fa efa hatrany am-piandohana izao hetsika hotanterahina izao no efa naneho fahavononana hitarika ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanomezam-pahefana nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana azy ireo, tamin’ny 10 novambra 2025, hanarenana indray ny firenena”. Io ny fanambaran’ny FFKM, novakin’ny filohany, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohimanoro, afakomaly. Hanatanteraka fihaonambe eto Antananarivo àry ny FFKM, ny 18-21 mey ho avy izao. Handinihina ny fiainana anatiny sy ny fiainam-pirenena amin’ny maha mpaminany sy mpitily azy eo anivon’ny firenena izany. Hatao izany ho fiatrehana ireo fikaonandoha samihafa izay mbola hotanterahina eto Madagasikara ary hatrehin’ny Malagasy rehetra mba hametrahana fitoniana ny tontolon’ny fikaonandoham-pirenena. Mba hisian’ny fifampiresahana an-kitsim-po sy mampandroso ihany koa.
Manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao: “Aoka hatsahatra ny teny mandratra sy ny fihetsika mampisara-bazana”, hoy ny fanambarana. Tsy misy fanorenana maharitra eto raha tsy misy ny fandriampahalemana sy ny firaisankina. Koa miantso ny mpitondra sy ny olom-pirenena rehetra ny FFKM hitandro izany amin’ny fandavana ny fankahalana sy ny herisetra amin’ny teny ary ny fihantsiana rehetra. Manoloana ny fiparitahan’ireo vaovao tsy marina, ahitana fanakorontanana sy fampihantsiana ary fihenjanana ara-pifandraisana, ilaina ny miverina amin’ny fahamarinana. Satria ny fahamarinana irery ihany no manandratra ny firenena. Miantso ny rehetra ny FFKM mba hiteny amim-pahendrena, tsy hanaparitaka lainga fa mba handala ny marina ary hanaja ny hasin’ny hafa amin’ny teny sy ny atao.
R. Nd.




