fitsarana ny filoha Rajoelina: “Miankina amin’ny Antenimierampirenena”

“Niteny ny eny anivon’ny Antenimierampirenena fa amin’ny volana mey ny fivoriana ara-potoana… Tokony handeha amin’izay ny fiampangana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Raha ny sitrapon’ny minisiteran’ny Fitsarana, efa tamin’ny desambra no tokony ho nandeha izay. Saingy, miankina amin’ny Antenimi­eram­pirenena izay misy pitsopitsony ihany koa”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsa­rana, i Ernaivo Fanirisoa, tamin’ny mpanao gazety, teny Mahamasina, nampitaina ta­min’ny tambajotran-tserasera, afakomaly, ny amin’ny fitsarana ny filoha teo aloha, Rajo­elina Andry. Anisan’ny hanenjehana azy ny fanodinkodinam-bola maro sy ny fanamparam-pahefana maharitra tamin’ny fampiasana volam-panjakana.
Milaza ny And. 131-134 amin’ny lalàmpanorenana fa ny Fitsarana avo (HCJ) no ahazoana manenjika ny filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy hajaina izay. Tsy afa-manatona ny HCJ ny minisiteran’ny Fitsarana. Izay no nanaovana fiaraha-miasa tamin’ny Gen Z tamin’ny fitoriana azy eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Aha­zoan’ny Antenimie­rampire­ne­na manapa-kevitra ny fa­nan­ganana vaomiera fanadihadina momba ny fakan-kevitra rehetra. Rehefa mitsangana izay, mandeha ny fahazoana manao fiampangana, tsy misy antony intsony tsy ahazoana mitsara ny filoha teo aloha. Eo koa ny fanaovana ny fanenjehana ara-pitsarana rehetra azo atao aminy: fisavana, fanagiazana fananana sy kaonty, ny didy fampisamborana iraisam-pirenena… Ny fampodiana azy an-tanindrazana kosa dia avy amin’ny alalan’ny didim-pitsarana raikitra. Ia­raha-miasa amin’ny firenena misy azy ny fanenjehana azy.

R. Nd.

Partager sur: