Kolonely Randrianirina Michaël : “Hanomezana ny vahoaka ny zony ny fitsarana”

“Fahefana iray lehibe eto amin’ny firenena ny fitsarana. Ao anatin’ny fahefana feno izay misy izany. Matoa nosarahina fa tsy natambatra ny fahefana, mba hanomezana ny vahoaka malagasy ny zo izay tokony hananan’ny tsirairay avy”.

Izay ny kabarin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitokanana ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Sambava, Faritra Sava, afakomaly. Na ny any am-ponja aza, mbola manana ny zony. Mba hipetraka amin’ny fonja mendrika hoe fonja izany. Ireo mpitsara no antenain’ny vahoaka malagasy eto Madagasikara hampihatra ny lalàna tena izy sy ny fahamarinana eto amin’ny firenena. “Koa aoka ny rariny ihany no hanjaka eto amin’ny firenena”, hoy izy. Ny ady amin’ny kolikoly no manatona an’i Sambava, fa tsy sanatria ny kolikoly no manatona an’i Sambava. Ma­toky sy manantena ireo mpitsara izy fa hanova zavatra betsaka aty amin’ny Faritra Sava izany. Satria raha tsy ny fitsarana no mandray anjara amin’ny Fanavaozana, tsy misy dikany ny fanavaozana tian-katao.
Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Amin’izao fitondrana Fanavaozana izao, naverina ny fitsarana mba ho sehatra itakiany ny rariny sy ny hitsiny”, hoy kosa ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa. Nanome toky izy fa fitsarana tena hanome ny rariny sy hitsiny no hiasa eto Sambava. Tafiditra ao anatin’ny politika Fanavaozana izao fitsarana manatona vahoaka izao. Napetraka tamin’ny fo­toam-pitsarana manetriketrika avy hatrany ny lehiben’ny fampanovana sy ny filohan’ny Fitsarana ary ireo mpitsara miara-miasa amin’izy ireo. Mahatratra 237 kosa ny voafonja tsy mbola voatsara ao Sava, ezahina hovitaina amin’izao fijoroan’ny lapan’ny fitsarana vaovao izao izany.

R. Nd.

Partager sur: