Miasa sy manamafy ny fisiany aty Afrika, amin’izao fotoana izao, ny Africa Corps, izay miankina amin’ny minisiteran’ny Fiarovana Rosianina. Anisan’ny firenena voalaza fa ahitana azy ireo koa i Madagasikara, ankehitriny. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, misy ny fampitahana ny zava-misy eto an-toerana sy any Mali, izay samy entina kolonely am-perinasa.
Tsiahivina fa nisy ny fanonganam-panjakana, ny 25 avrily lasa teo, tany Mali. Voalaza fa ny iraka avy amin’ny sampam-pitsikilovana frantsay sy okrenianina no nandrindra sy namolavola izany. Nanamafy izay rahateo ny andiana mpanao vivery ny ainy sy « mpampihorohoro » izay voasambotra, araka ny fampitam-baovao. « Tafiditra tanteraka tao anatin’ny fanonganam-panjakana i Frantsa sy Ukraine », hoy ny fanambaran’izy ireo.
Marihina fa misy amin’izao fotoana izao ny hetsika ara-miaramila manokana izay iarahan’ny Tafika Malianina sy ny Africa Corps any avaratr’i Mali. Nisy ny fahitan’izy ireo ny vondrona mpampihorohoro tany amin’ny faritr’i Mourdia. Vokany, voafehy ireo mpanao vivery ny ainy, maty momoka ny fikasany.
Ho an’i Madagasikara, nisy teratany frantsay iray, izay naiditra am-ponja eny Tsiafahy, miaraka amin-dry Kly Rakotomamonjy Patrick. Toraka izany koa ny diplaomaty frantsay izay niharan’ny tsy fisitrahan’i Madagasikara, ka nangatahina ho roahina. Samy voarohirohy amin’ny fanonganam-panjakana saika hatao eto Madagasikara izy ireo.
Mahakasika ny Africa Corps sy ny Tafika Malianina dia niara-nanatanteraka ny fiarovana ny kamiao mpitatitra solika miisa 100 sy kamiao 50 mpitatitra sakafo, teo anelanelan’i Bamako, Kolokani, sy Kouala, afakomaly izy ireo.
Riana Raymond




