FANTINA sy FINTINA

Efa nisy ny taratasy fangatahana fanesorana ny zo tsy azo anenjehana « Immunité parlementaire » ny depiote Raholdina Naivo, araka ny nambaran’ny minisitra Fanirisoa Ernaivo. « Efa nalefa eny Tsimba­zaza izany, mialoha ny nisamborana azy, saingy mety tsy voarain’ny filohan’ ny Antenimiera izany noho izy mbola tsy teto an-toerana », hoy izy.

Nandray ny asany, omaly, ireo depiote vaovao eo anivon’ny Antenimiera nisolo ireo lasa nisahana andraikitra hafa sy nesorina. Anisan’izany ny depiote Heriniaina Tia Solofomanga, Mahajanga I sy Ramana­narivo Samoela Miharisoa, ho an’Antananarivo fahenina ary ny depiote vaovao, Ramboarivelo Jocelyn Willy, boriborintany fahatelo.

Nametra-pialana tsy ho mpandrindra ny Komity vonjimaika mitantana ny Holafitry ny mpanao gazety (CTOJM), Andry Raharison. Nohitsiny fa nivily lalana ny tanjona ary ampiasain’ny sasany hitadiavana tombontsoa manokana ny fitantanana. « Tsy azo ekena ny hanovana rafitra natao hiaro ny etika ho lasa fitaovana ara-tombontsoa », hoy izy.

Hentitra ny MFM nilaza fa ho an’ny fanjakana no itolomana ho an’ny demokrasia, hananana fahefana tsara fototra hampilamina ny firenena. « Antoka lehibe amin’izany ny fanavaozana ny fomba fandrombahana fahefana ka tsy io Ceni io mihitsy no tokony ho lohany amin’ny fanavaozana ny fifidianana, efa novetavetainy hatrizay », hoy izy ireo.

Partager sur: