Takalon-kanto lasa tarika. Tetikasa niofo ho fampisehoana. Ireo tia mozika vaovao no efa dodona hahita sy handre ny fampisehoana hataon’ny Dia Dia Maloya, ny alarobia 13 mey izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny IFM Analakely. Takalon-kanto satria misy fanambarana talenta avy amina Malagasy sy Renioney mpanakanto ao. Samy nitondra ny mozikany anaty tetikasa, ka nifanena indray ny maloya sy ireo gadona malagasy. Mamisoa Rakotonanahary, andaniny, Malagasy mpanakanto, mpitendry sy mpihira, mivoy ny Beko sy ny gadona hafa. I Frédéric Madya, ankilany, mpiangaly ny Maloya, mitana ny fototra fa mampifangaro izany hivelatra amin’ny mozika hafa. Teraka tamin’ny fihaonan’izy ireo ny Dia Dia Maloya, izay nohamafisin’ireo mpitendry hafa, toa an’i Anas Mall, eo amin’ny balafon sy ny karazan-javamaneno ravaka, i Shoa Rakoto eo amin’ny saxophone, Tina Ratelofera eo amin’ny kabaosy, sns.
Efa nisy ny fiarahana an-tsehatra voalohany notontosain’ny Dia Dia Maloya tamin’ny taon-dasa, tany La Réunion. Hitohy eto Madagasikara ary heverina fa hitety firenen-kafa ny tarika aorian’izao.
Zo ny Aina




