Fivorian’ny Mpitahiry Vakoka : Manana solontena any Kenya i Madagasikara

Hifarana anio, ny fivoriana isan-taona fanaon’ireo mpitahiry sy mpandrindra vakoka maneran-tany, ao amin’ny « National Museums of Ke­nya » Mumbasa, Kenya. Ani­san’ny miatrika izany ireo mpitahiry vakoka, sady miandraikitra ny Ofisy mitantana ny vohitr’Ambohimanga Rova (Office du Site Culturel d’Am­bohimanga Rova -OSCAR) ndrianarivao , sy ny lehiben’ny biraon’ny Unesco eto amintsika, Rakotoson Julie.
« Fiarovana mialoha ny vakoka : Fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fa­nombanana ny fiantraikan’ny tetikasa amin’ny vakoka sy ny fitantanana ny loza ary ny voina mety hitranga ». Io no lohahevitra dinihina amin’ity fihaonambe karakarain’ny Unesco ity. Tanjona amin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fiarovana sy fikajiana ny vakoka, ny fanatsarana ny fomba fanombanana ny mety ho fiantraikan’ny tetikasa fampandrosoana amin’ny vakoka, famolavolana paikady hisorohana sy hiatrehana ny loza mety hanimba ny vakoka ary ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ireo firenena sy ireo tomponandraikitra amin’ny fitantanana ny vakoka sy harembakoka. Tsiahivina fa ny Vohitr’Ambohimanga izay misy ny faritry ny Rova dia nosokajian’ny Unesco ho anisan’ireo harembakoka iraisan’izao tontolo izao, ka mila maharaka ireo fenitra iraisana amin’ny fikajiana sy fikojana vakoka ny mpitahiry sy mpiandraikitra .

Zo ny Aina

Partager sur: