Manomboka mipoitra ny fifandirana. Toa voasokajy roa na telo avy hatrany ny fironan’ny Malagasy manoloana ny fampidirana sy fampiasana ny teknôlôjia amin’ny fiverenana an-doharano.
Raikitra ny fifandirana ! Na samy mahay misikidy aza. Misy ny mitazona ny fomba fisikidiana fahiny fa ao ihany koa ireo nikaroka ka nampiditra izany ao anatina teknôlôjia mba ho afaka ampiasain’ny rehetra. Vaky ny ady eo amin’ny roa tonta ? Mila mitandrina fatratra ny Malagasy, satria, iray amin’ireo firenena manana ny momba sy ny mampiavaka azy (fomba, fady, fahalalana…).
Amin’ny ankapobeny, izao vanim-potoana izao ihany koa no manomboka miditra sy liana amin’ny fiverenana an-doharano ny fiarahamonina. Miha maro ireo mampianatra, mianatra, manatevim-pahalalana momba ny fomba amam-panao, fady isan-tsokajiny, kolontsaina sy zavakanto malagasy, sns. Ny teknôlôjia na ny fihazakazaky ny hairaha samihafa ihany koa, anefa, tsy azo sakanana.
Mila mitandrina fatratra ny Malagasy, satria, ny Malagasy ihany no mety mamotika ny momba azy. Izy ihany no hanadino ny fisiany manontolo raha variana amina « zava-baovao ». Ankilany anefa, ny vanim-potoana ankehitriny mihitsy no mandrisika ny fampiasana ny hairaha amina sehatra rehetra. Tsy takon’afenina rahateo fa tafatsofoka lalina amin’ny tontolon’ny teknôlôjia, ny resa-barotra.
Tsy mahasolo mpisikidy sy mpanandro velively ny « Intelligence Artificielle ». Satria, afaka mampiasa « application » na « Intelligence Artificielle » ny tsirairay, tsy voafehin’ny taona. Tokony hahay misikidy na manandro avokoa ve izany ny olon-drehetra ? Mila mitandrina fatratra ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto





