Nanatitra ny fitoriana telo sosona teny amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), 67 Ha, omaly, ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana, Rahajason Harry Laurent. Teo ny fitoriana ny depiote Rakotomanga Lanto sy ny sekretera teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblikan’ny fitondrana teo aloha, Andriamaholy Dina, ary ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy. Araka ny fanazavany, ny nanagadrana azy dimy taona no anton’ny fitoriana.
Nilaza ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Solofotahiana Rakotondramanana, taorian’ny fianianan’ireo mpikambana vaovaon’ny Ceni, teny amin’ny fitsarana an-tampony, Anosy, omaly, fa avelao aloha hiasa izy ireo. Tsy ny rafitra niaviany no hitsarana azy ireo fa ny asany. Izany dia manoloana ny fanaratsiana ny administratera sivily, Rabenandrasana Cyril, nofidin’ny fiarahamonina sivily ho mpikamban’ny Ceni.
Amin’izao Fanavaozana izao no fotoana tsara indrindra hanararaotana hanovana ny lalàna rehetra tokony hovaina sy hohatsaraina, araka ny nambaran’ ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, nanokatra ny atrikasa nokarakarain’ny Samifin momba ny ady amin’ny famotsiam-bola, teny Ambohijanaka, omaly. Hanamora ny fandravana ny tambajotran’ny famotsiam-bola eto Madagasikara ny paikady vaovao, 2026-2030, izay haroso eny Tsimbazaza, amin’ny alahady izao.




